1 Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Jehovah , tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.

3 Ry Isiraely , mananten an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
